|
|
Sekoly Maitso Bara BP 65-Ihosy313 smbara@moov.mg |
|
|
SMBara Sekoly Pedagojia Inona no mahatonga ny sekolinay ho Sekoly Maitso Piloty? "NY SEKOLINAY" Namolavola paik'ady tsara amin' ny maha sekoly maitso azy nySMBara click image to read
Dangaligny & Konaky "Ilay dia tsy nampoizina"
EFA NIVOAKA |
Sekoly Marosakoa miasa indray
Teraka avy amin’ny fiaraha-miasan’ny FFL Toliary sy ny Unicef tamin’ny 2003 ity sekoly ao Marosakoa ity. 4 km avy ao Ankazoabo no halaviran’ny lalana mankany. Niasa kely ity sekoly ity tamin’ny taona 2003 ary nijanona avy eo noho ny tsy fisian’ny mpampianatra tao. Amin’izao dia tonga indray ny Sekoly Maitso Bara nanokatra ny sekoly tamin’ny taona 2007 iny.
Miasa tsara amin’izao, misy mpampianatra roa ao izay samy avy amin’ny Sekoly Fanomanana Mpampianatra any Fandriana. Mahafaly ny fokonolona izany ary indrindra fa ho an’ny ankizy satria anisan’ny toerana maro ankizy tokony hianatra ao an-toerana nefa voatery tsy maintsy handeha lavitra izy ireo vao ahita fampianarana.
Misy mpianatra eo amin’ny 90 eo amin’izao ao ary mitombo hatrany ny isany. Tsy mbola nahazo table banc ampy tsara anefa izy ireo ka misisika aok’izany ny ankizy ao an-dakilasy. Efa eo am-panamboarana ny table banc ho azy ireo amin’izao ny foibe.
Tananan'i Marosakoa Tazana avy eny ambony Naly |
©Copyright by SMBara
photo Mparany&Klaus
web master Tojo