Sekoly Maitso Bara

BP 65-Ihosy313

smbara@moov.mg

CONTACT  |   JOB ADVERTISEMENT  | CALENDAR ABOUT US

SMBara

Sekoly

Pedagojia

 

Inona no mahatonga

ny sekolinay ho

Sekoly Maitso Piloty?

"NY SEKOLINAY"

 Namolavola paik'ady tsara amin' ny maha sekoly maitso azy nySMBara

click image to read

 

Manomboka ny fanamboarana sekoly vaovao ao Andaka

Ela ny ela fa manomboka ny asa fanamboarana sekoly any Andaka. Faly noho izany ny ankizy fa tsy ho ela dia hisy efitrano tsara hianaran段zy ireo.

 

 

 

 

Ny Sekoly Maitso Andaka dia sekolin地y FLM izay hita amin地y faritra Atsimo Andrefana. Efa roa taona izao no tafiditra tao anaty Sekoly Maitso Bara i Andaka.

Izy no sekoly farany andrefana amin地y faritra iasan地y soritr誕sa.

Nijaly tamin地y mpampianatra sy tamin地y trano sekoly nandritra ny taona maro ity sekoly ity. Nitondra fiovana ny fahatongavan地y mpampianatra vaovao tao tamin地y taom-pianarana 2007-2008 iny. Tafakatra hatrany amin地y valom-polo mahery ny mpianatra nisoratra anarana raha telopolo izy tany aloha. Nanana mpampianatra ihany Andaka taloha fa nalefa tany Fandriana izy mba hampitombo fahalalana sy traikefa. (cf. Link Toerana - Andaka)

Nitombo maro ny mpianatra. Ny efitranon-tsekoly anefa ratsy. Sady trano vonjimaika hatramin地y taona maro, izay nindramina tamin地y fiangonana. Noho izany dia nangetaheta mafy ny fokonolona ny hanamboarana tranon-tsekoly ao an-toerana. Raha ny fahavononana dia mazoto be ary mavitrika ny olona ao Andaka.

Vao tsy ela akory dia nivoriana niaraka ny fokonolona sy ny solontena avy amin地y Sekoly Maitso Bara foibe nikasa hanao trano sekoly. Mihisa valopolo olona ny olana manana karatra ao amin段ty toerana ity. Notapahin段zy ireo ary fa tsy maintsy mandray anjara avokoa ny olona izay efa manakaratra amin地y fanamboarana ity trano ity. Ny president ny fokontany no anisan地y mitarika an段zany ary manaraka ireo zoky olona ao amin地y tanana.

Ny ankizy koa anefa nanana ny hetahetany. Tena niniry mafy izy ireo. Noho izany dia tsy niandry ny fanamboarana ny sekoly vaovao izy ireo fa efa nanomboka nianatra tamin地y sekoly vonjimaika izay nomen地y fiangoanana hampiasana. Efa nanomboka ihany koa amin地y fanatsarana ny manodidina ny toerana izay nomen地y fokonolona ny sekoly. Ohatra efa namboly hazo malagasy izy ireo, efa nanao zaridaina, sns.

Rehefa nanontaniana izy ireo dia tena tian段zy ireo ny mba hianatra amin段zany lakilasy izany ka tena faly izy ireo amin地y fisian地y Sekoly Maitso sy ny fanampiana azy ireo. Izany koa ny antony fa efa manatsara avy hatrany  ny toerana izy ireo.

Ny toerana misy any Andaka moa dia tena ratsy lalana. Noho ny fahazotoan地y fokonolona anefa dia niezaka mafy izy ireo amin地y fanamboatra ny lalana mba ahafahan地y fiara mitatitra ny entana hatrao an-toerana.

Tamin地y fitsidihana farany natao tany Andaka tamin地y 09 Jolay farany teo dia 4 km sisa no tsy todin地y fiara amin地y lalana 37 km .

Hita fa tena miasa mafy ireto fokonolona ireto. Mitsangana ihany koa ny rindrina ary tsy ho ela dia hiakatra amin地y tafo indray

 

Naly

 

HOME

ゥCopyright by SMBara

photo Mparany&Klaus

webmaster Tojo